ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba tsotra hanalana ny havizanana

Rehefa zoma faran’ny herinandro tahaka izao matetika no mitaky ny harerahana sy ny havizanana nandritra ny herinandro. Namely teny ihany koa ny orana sy ny masoandro, ny aretina majinijinika. Mila fikarakarana ny vatana na dia reraka aza, ary anisan’ny manavao ny hery anaty indray izany hahafahana miatrika faran’ny herinandro sy manomana sahady ny herinandro ho avy.

Misy fomba tsotra, azo atao hanalana ny havizanana. Voalohany amin’izany, rehefa amin’ny hariva mialohan’ny atory, azo atao ny mandro amin’ny ranona katrafay nampangotrahana ary matimaty no ampiasaina. Ny katrafay moa dia hazo maniry eto Madagasikara ary ny hodiny dia azo atao fanafody fanalana havizanana soa aman-tsara, ary mamerina ny hery indray, izy ity izay hita eny amin’ny mpivarotra tapa-kazo eny.

Manaraka izany, azo atao ihany koa ny mandona ny tongotra anaty rano mafana, rehefa amin’ny hariva mialohan’ny atory. Tsara kokoa asiana sira kely ny rano andomana tongotra amin’izay fotoana izay, ary atao rano mafana izay zaka. Lomana ao ny tongotra mandrapangatsika ny rano.

Farany, azo atao ny miotra rehefa tena diso reraka na torovana loatra. Ny otra dia anisan’ny manala havizanana ary mahasalamana no mamerina ny hery no mampahazo aina ihany koa. Mamerina ireo hozatra mivokona amin’ny vatana ary mampikoriana tsara ny ra. Tsara anefa raha mpanotra manampahaizana na voatokana amin’izany mihitsy no manantanteraka azy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire