Startup Weekend: “Mizotra mankany amin’ny tanàna lovain-jafy”
Hanomboka ny 17 novambra izao ny hetsika Startup Weekend Antananarivo team (SWAT) ary tsy hifarana raha tsy ny 19 novambra izao, izay atao eny amin’ny Institut ISS Tsiadana. Hifantoka amin’ny loha-hevitra “Mizotra mankany amin’ny tanàna lovain-jafy” izany amin’ity andiany manaraka ity, araka ny voalaza.
“Araka ny efa fanao mahazatra ato anatin’ny SWAT dia miompana betsaka amin’ny orinasa vao misondrotra ary manome sehatra ho an’ireo tanora na mpandraharaha na efa manana orinasa hitondra ny tetikasa mifanaraka amin’ny loha-hevitra ho an’ny fampandrosoana. Mandritra izany dia hanana fahafahana manitatra ny tambajotra ananany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana izay ahitana mpamorona, mpanoro hevitra, mpampiasa vola mba hahafahan’izy ireo milona tanteraka ao anaty tontolo feno fivoarana” hoy i Harinoro, tomponandraikitry ny tetikasa.
“Ho santarina ny zoma 17 novambra ny startup weekend, amin’ny alalan’ny fifaninanana “pitchs” manana 60 segondra avy ny mpandray anjara hamoaboasana olana iray fahita eto an-tanan-dehibe sy ny vahaolana mifanandrify amin’izany. Manarak’izany dia hanangana ireo ekipa. Ny hetsika dia hifarana ny alahady 19 novambra hariva amin’ny famelabelarana ireo tetikasa manoloana ireo mpitsara matihanina” hoy hatrany ny fanazavana.
Misy zana-doha-hevitra miisa dimy moa azon’ny mpandray anjara ifidianana ao anatin’izany: ny fivezivezena, ny fambolena manodidina ny tanàna, ny fitehirazana ny rano sy ny fifehezana ny fiperitahan’ny rano maloto, ny mari-trano maitso sy ny fahafahana mampiasa ireo harena voajanahary maitso.
