SocialTatitra

La Réunion : Mbola maro ireo miaina anaty fahantrana

Raha ny tatitry ny Insee dia 36% na olona 311 900 isa mponin’i La Réunion no miaina teo ambanin’ny « seuil métropolitain » amin’ny fahantrana ny taona 2020 teo. Na dia teo aza nefa ny valan’aretina dia nahitam-pihenana ny taham-pahantrana tao an-toerana manoloana ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra nanatsarana ny asa sy ny karama.

Mbola tsy ampy nefa izany ezaka izany, mbola mihoatra lavitra noho ny ao amin’ny Hexagone (14%) sy ao Martinique (27%) ny fahantrana ao amin’ny nosy noho ny tsy fahampian’ny asa. 1 130 euros isam-bolana sy isaky ny UC (Unité de consommation) ny « seuil de pauvreté » ao amin’ny nosy ary miaina ao anaty fianakaviana sahirana ny 44% na ny 105 100 isa ny zaza tsy ampy taona ao an-toerana.

Laisser un commentaire