Institut ISS: Hiompana ao anatin’ny fanomezan-danja ny fandraharahana
Mandritra ity volana Novambra ity, maro ireo hetsika izay hiseho karakarain’ny ivon-toeram-panofanana ISS. Natokan’ny ivon-toerana ho volan’ny fandraharahana ity volana ity. Hetsika telo no hiseho hanamarika izany dia ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fandraharahana (GEW), ny “Salon des incubateurs et des Starups” ary ny “Startup Weekend” ity farany izay miompana amin’ny loha-hevitra “Mizotra mankany amin’ny tanàna lovain-jafy”
“Mandritra ny herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana sy ho enti-mankalaza ny volan’ny fandraharahana, dia mikarakara hetsika ny IISS izay ahitana ireo mpisehatra isan-karazany toy ny mpanosika orinasa matihanina, mpandraharaha sy olon-tsotra liana amin’ny fandraharahana. Ireo hetsika ireo dia mikendry ny hanomezana sehatra ny tontolon’ny fandraharahana be be kokoa ary hanamafisana ny toeran’ny IISS eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana” hoy i Harinoro, tomponandraikitry ny tetik’asa.
“Ny 13 Novambra, manomboka amin’ny 09ora maraina, ny famelabelaran-kevitra momba ny fandraharahana io. Izany dia mikendry ny hanaovana jery todika ny mahakasika ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara sy hiresahana ny varavarana misokatra ho an’ny mpandraharaha Malagasy. Mandritra izany, dia hisy ny loha-hevitra maromaro manodidina izany, fijoroana vavolombelona sy fifampizarana hataon’ireo mpandraharaha izay nahomby sy niatrika olana sy sakana maro, ary ny lalana hanarenana io sehatra io” hoy hatrany ny fanazavana.
Lalana iray afaka mitondra ny firenena any anatin’ny fandrosoana ny fandraharahana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanosehana ireo tanora liana amin’ity sehatra ity. Ny ivon-toeram-panofanana IISS dia anisan’ny mitan-tsoroka ny tanora ao anatin’izany, indrindra amin’ny alalan’ny hetsika tahaka izao.
