ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Tsy nahitana olona matin’ny COVID tao anatin’ny 1 andro

Tsy nahitana na iray aza matin’ny COVID-19 tao Royaume-Uni omaly 1 Jona. Ny avy ao amin’ny sampan’ny fahasalamana any an-toerana no nanao ny filazana fa tsy nahitana maty tao anatin’ny 24 ora. Na izany aza anefa nisy 3 165 ny tranga hita tao anatin’izany 24 ora izany izay manosika ny tompon’andraikitra Britanika hametraka fanamafisana ny fiarovana fa mihanaka loatra ny variant Delta misy any an-toerana. Firenena maro ihany koa efa nanalefaka ny fitsipika ara-pahasalamana raha tena miombo be kosa ny fiparitahana any Asie du Sud-Est. Raha ny tany Israël manokana ihany koa izao dia efa nihena ny marary ka nahena ny fitsipika nanomboka omaly, izany dia noho ny fanaovam-baksiny ny mponina Israelianina.

Laisser un commentaire