Nouvelle-Zélande : Takaitra navelan’ny rotsak’orambe
Nisehoana rotsak’orambe tany Canterbury Nouvelle-Zélande tamin’ny Alahady 30 Mey lasa teo. Tsy mbola fahita hatramin’izay ary tena betsaka tokoa ny rotsak’orana latsaka. Maro ireo nitondra takaitra vokatr’izany rotsak’orana izany amin’izao fotoana izao. Olona an’alina maro tsy manan-kialofana, trano 3000 mahery tandidomin-doza ireo ary tsy mbola voafaritra mazava ny isan’ireo namoy ny ainy. Nosokajiana ho faritra mena ny tananan’ny Canterbury iray manontolo amin’izao fotoana izao.
