ActualitésTsidika

Ambatomaro : Vahiny saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Teratany vahiny iray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ambatomaro ny 29 desambra teo. Tompon’andraikitra amin’ny orinasa mpanao fitafiana eny Ambatomaro izy.

« Nihetraketraka sy nanimba zavatr’olona teto izy ny maraina teo. Miseho ho ambony dia manao izay tiany atao » hoy i Fanja, mpivarotra eny Ambatomaro. « Tsy vao voalohany akory izao toetra ratsy izao. Efa maro ny olona mitaraina voahetraketraka sy voateny ratsy nataon’ity vazaha ity » hoy ny tompon’andraiki-pokontany any an-toerana.

« Sorena tanteraka ny olona tety an-toerana. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity vazaha ity raha tsy tonga izahay » hoy ireo mpitandro filaminana. Efa nentina nihazo ny kaomisaria foibe ilay vazaha taorian’izay ho fiarovana ny ainy. Efa misy ny tompon’andraikitra misambotra ireny olona manao ny tsy rariny eny amin’ny fiarahamonina eny.

Tsy tokony haka ny asan’ny mpitandro filaminana mihitsy isika vahoaka.

 Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire