France : Hiasa manomboka ny 15 janoary izao ny « Pass vaccinal »
Novaina « Pass vaccinal » ny « Pass sanitaire ». Nolanian’ny filan-kevitry ny ministra ny 27 desambra teo ny volavolan-dàlana nirakitra izany. Mbola handalo eo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona kosa nefa izany saingy efa mikasa ny hampihatra izany manomboka ny 15 janoary izao ireo mpanatanteraka.Ahafahana mihazo ireo toerana ho an’ny daholobe rehetra io « Pass vaccinal » io, na toeram-pialam-boly na fitanterana na ara-panatanjahantena. Ireo olona nahavita vaksiny feno ihany no mahazo « Pass vaccinal » manan-kery.Mbol azo ampiasaina amin’ny fidirana ao amin’ny hopitaly sy ao amin’ny toerana mitaiza antitra kosa ny « Pass sanitaire ».
