Bolivie : Toerana miavaka ny Salar d’Uyuni
Ao atsimo atsinanan’i Bolivie eny amin’ny haavo 3 656 metatra no misy ny Salar d’Uyuni. Anisan’ny tany efitra sira (désert de sel) lehibe indrindra eran-tany izy. Manadrakotra velaran-tany 11 000 kilometatra toradroa izy misy sira 10 miliara taonina. Farihy ritra kosa no namela io efitra io, farihy Tauca no anarany ara-tantara ary efa tany amin’ny taona 14 000 lasa tany izy no nisy.Miova endrika, ary miendrika fitaratra io sira io rehefa vanim-potoan’ny avy orona, izay manomboka ny volana desambra hatramin’ny janoary ao an-toerana. Mbola ahitana sisan’ny farihy teo aloha izay namela farihy kely roa kosa ao an-toerana dia ny farihy Poopó sy Uru Uru.
