Iran : Mahery ny 600 no maty tao anatin’ny 24 ora tao amin’ny firenena
Mirongatra ny valan’aretina coronavirus ao Iran, efa miatrika ny andiany
fahadimy izy ireo ankehitriny. Tao anatin’ny 24 ora farany teo dia tranga
vaovao 36 736 no voarakitra ary 620 ny trangam-pahafatesana. Voalohany tao
amin’ny firenena no nahitana trangam-pahafatesana betsaka toy izany tao
an-toerana.
Hatreto dia 4 425 821 ny fitambaran’ny tranga efa voamarina ary 97 828 ny
fitambaran’ireo maty. Tsy mbola nandray fepetra fihibohana mihitsy tao
an-toerana hatrizay saingy manoloana ny zava-misy tsy nanapa-kevitra ny
fitondrana fa nanomboka ny alatsinaniny teo hatramin’y 21 aogositra dia
mikatona avokoa ireo toeram-pitantanana, banky, orinasa ary
toeram-pivarotana tsy ilaina amin’ny fiainana an-davanandro.
