Nampanantenaina ny tsy misy ireo mpiasan’ny CTC hatramin’izao
Tsiahivina fa vao nisokatra ny CTC-19 izay ivon-toerana iray hitsaboana ireo olona voan’ny Covid19 no nampanantena ny Filoha fa « hanome tambin-karama manokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay miasa miady amin’ity aretina covid-19 ity ary ho lohalaharana ny fandraisana mpiasam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Hampitomoina ihany koa ny teti-bola ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ».
Herinandro maro lasa izay no nihely manerana ny tamban-jotra sosialy sy tamin’ireo haino aman-jery maro fa « tsy hanohy ny asa intsony ireo mpiasa ao amin’ny CTC raha tsy voahefa ny karaman’izy ireo ». Nanome 48ora ny fitondram-panjakana noho izany izy ireo tamin’izany mba hanefana ny karamany satria efa 3 volana be izao no nanaovana tsinotsinona azy ireo. Nilaza moa izy ireo fa « tsy nahazo ny vola ara-potoana, ohatra amin’izany ny volana Jolay izay mbola tsy nositrahina, « ny prime exceptionnel »izay mbola tsy azo ihany koa hatramin’izao ».
Ny faran’ny herinandro lasa teo no nisy ny fihaonan’ny solon-tenan’ireo mpiasan’ny CTC sy ny solon-tenan’ny Ministera mba hitadiavam-baha-olana sy marimaritra iraisana. Nilaza ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Ministera fa « tsy ny Ministeran’ny fahasalamana no naha-tara ny fanefana ny karaman’izy ireo, fa nohon’ny « procedure » tsy maintsy arahina avy eny anivon’ny ministeran’ny vola, ny primatiora, ary ny fiadidiana ny repoblika ». Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan’izy ireo fa ny hany fantatra dia tsy mbola nanome daty ny hanefana izany ny teo anivon’ny Ministera. « Toa fampanantenana pokaty izao tranga misy izao fa tsy misy ny lamina napetraka hatrany am-boalohany »hoy i Hoby, anisan’ireo mpiasa voakasik’ity raharaha ity. « Raha ny mahakasika ny prime kosa indray, dia milaza ny tompon’andraikitra fa efa akaiky ny fivoahan’izany, saingy mbola tsy misy ny daty voafaritra »hoy ahatrany ireo tompon’andraikitra. « Mirifatra tahakan’ny TGV ihany koa ilay fitsoahana ny karaman’ireo mpiasan’ny CTC »raha naneo ny heviny i Tiavina mikasika ity fitakiana ataon’ireo mpiasan’ny CTC ity.
Mipetraka ny ady hevitra eo amin’ny samy mpanara-baovao hoe misy ve ny fanodikodinam-bola sa misy ny fitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra ka tonga amin’izao fanaovana tsinontsinona ireo mpitsabo izao ?
Fanja Rakotoarisoa
