Fanabeazana : Mbola misy ireo mpianatra tsy afaka manohy ny fianarana
Mpianatra miisa 9 271 no tsy afaka nanohy ny fampianarana ho amin’ny androany 7 febroary. Nahitana fahasimbana mantsy ny trano fianaran’izy ireo nandritra iny rivo-doza iny. Isan’ny nanakana azy ireo tsy hamonjy ny toeram-pianarany ihany koa ny fahatapahan’ny lalana.
« Tsy hisy fianarana aloha ao anatin’ny telo andro ato anatin’ny faritra Matsiatra Ambony. Eo mantsy ny tranom-pianarana rava sy ny lalana tapaka tsy ahafahana mivezivezy. Efa nilaza rahateo ny avy ao amin’ny Ministera fa ny tompon’andraikitra isam-potony no manapa-kevitra ny amin’ny fitohizan’ny fampianarana » hoy ny Governoran’ny faritra Matsiatra Ambony. Efa nisy anefa ny sekoly mbola tsy nisokatra talohan’ny nahatongavan’i Batsirai. Nahatratra 70 ireo sekoly mbola tsy nisokatra talohan’ilay rivo-doza farany. Mbola mandray ireo tra-boina aza ny sekoly sasany ho an’ny eto Antananarivo manokana.
Miezaka mitady vahaolana amin’ny fampianarana ireto mpianatra ireto ny tompon’andraikitra. Mbola tsy afaka mianatra ao an-tsekoly fotsiny aloha izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
