Tontolo iainana : Manimba ny tanàna ny setroky ny fiara
Miroso hatrany amin’ny fitsirihana ireo fiara ao amin’ny renivohitry ny Faritra Analanjirofo ny ekipan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra samihafa any an-toerana. Marihina fa tsy ny tany an-toerana irery akory no nisy ny fitsirihana toy izao fa efa saika nanerana ny renivohitra hafa ihany koa, ary tsy hijanona raha tsy tafita ny hafatra.
« Ny setroky ny fiara dia misy singa mandoto ny rivotra ka manimba tanteraka ny tontolo iainana, kanefa matetika tsy tsapantsika izany » hoy i Armand, mpahay tontolo iainana. « Fiara 50 no voasakana, ka ny 21 amin’izy ireo no namoaka setroka diso tafahoatra. Entanina hatrany isika manana fiara rehetra mba hikojakoja izany araka ny tokony ho izy, mba hialana amin’ny fandotoana aterak’izy ireny, ary hitandroantsika ny tontolo iainana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. « Misy fiara efa tokony tsy hiasa intsony na tokony hanolo pièce vaovao mihitsy kanefa kahidy fa mbola miharitra amin’ilay manimba ny tanàna ihany » hoy ny Zandarimariam-pirenena izay nanome tanana nandritra ny hetsika.
Tompon’andraikitra amin’ny tontolo iainana ny rehetra fa tsy ny Ministera irery akory. Zava-dehibe ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay, fa tsy sanatria miandry fandrahonana foana vao ho taitra.
Nicole Rafalimananjara
