ActualitésTsidika

Ampefy : Afaka misitraka ny lalana vaovao ny mponina sy ny mpizaha tany

Vita tanteraka ny lalana mihazo ny îlot de la Vierge sy ny Chute de la Lily any Ampefy amin’izao fotoana izao, ary nohatsaraina hatrany ny toerana mba hisintomana ireo mpitsidika hatrany.

Manana ny tantarany teto amin’ny firenena tokoa ireto toerana ireto ireto, izay tsy vitsy no nitaraina tamin’ny faharatsian’ny lalana tamin’izany. « Sahirana vao tonga satria ratsy ny lalana ka na te hiala sasatra aza dia mijanona fa tsy mandeha » hoy i Felana, renim-pianakaviana monina eto Antananarivo. « Isaorana indrindra ny fitondram-panjakana tamin’izao fahavitan’ny lalana aty izao satria manampy betsaka anay mponina izany noho ny ankamaroan’ireo mpitsidika ny toerana ka handeha ny varotra » hoy i Rajo, mponina ao Ampefy. »Toerana mamokatra sady ahitana toerana maro manintona mpizaha tany ny tanànan’Ampefy, ary azo antoka fa hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany any an-toerana ny fahavitan’ireo lalana ireo. Mitsoka makany amin’iny faritra Itasy ny rivotry ny fandrosoana » hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Mbola betsaka ny fandrosoana entina any an-toerana aorian’izao, toy ny hôpitaly sy ny Oniversite ary ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra. Mila omena lanja tokoa ny toerana mahafinaritra tahaka izao mba ahafahan’ireo mpizaha tany manome lanja azy ihany koa avy eo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire