Maurice : Voafidy ho zotra-piaramadina faha-5 tsara indrindra aty Afrique ny Air Mauritius
Voafidy ho zotra-piarahamanidina faha-5 tsara indrindra aty Afrique ny Air Mauritius nandritra ny andiany faha-19 ny Global Traveler GT Tested Reader Survey Awards. Mbola ny Ethiopian Airlines kosa no eo amin’ny laharana voalohan’izany filaharana izany, arahin’ny Royal Air Maroc, ny Kenya Airways ary ny Air Seychelles.
Eo amin’ny seram-piaramanidina tsara indrindra aty Afrika kosa dia ny O.R. Tambo International Airport ao Johannesburg, Afrique du Sud no laharana voalohany. Manaraka azy ny Addis Ababa Bole International Airport ao Éthiopie sy ny Cape Town International Airport ao Afrique du Sud. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray dia mbola ny Singapore Airlines no voafidy ho zotra-piarahamanidina tsara indrindra, arahin’ny United Airlines, Delta Air Lines, Emirates Airlines ary Etihad Airways.
