Sabotsy Namehana: Ilaina fifampitaizana ny fandaminana ny zotra-pitaterana
Miteraka ady hevitra eo amin’ireo mpandeha ny zotra H ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana hatrany ny mahakasika fomba fiasa sy ny fandaminana hapetraka, natao ho arahin’ny rehetra mpampiasa ny zotra. Mila fanentanana ihany koa ny mahakasika ireo mpandeha satria fifampitaizana no mampilamina ny zotram-pitaterana, araka ny voalaza.
“Noho ny ezaka nataon’ireo tomponandraikitra ao amin’ny fandaminana aloha dia efa hita ihany ny fahatsarana eo amin’ny mpitatitra. Fa saingy mbola misy hatrany ireo manamafy loha sy tsy mpanara-dalàna ka ny any amin’ny resaka sazy no mila hamafisina mba hampirindra hatrany ny fifamoivoizana” hoy i Laza, mpandeha amin’ny zotra H.
“Ankoatra ny eo amin’ny fandaminana ny mpitatitra sy ny mpamily dia ireo mpandeha ihany koa no mila ampanarahana ny lalàna sy ny rariny satria misy azy tazana, maro ireo tsy manaja ny toeram-piantsonana; misisika rehefa tong any fiara fa tsy milahatra ka anisan’ny tena manakorontana ihany koa izany” hoy i Hanta, mponina ao Sabotsy Namehana.
Hatreto aloha dia mbola ity zotra ity ihany no miasa, mampitohy ny kaominina ao an-toerana amin’ny faritra hafa. Mangataka ny hanampiana zotra miasa ao an-toerana moa ny mponina mba hisian’ny fifaninana sy ny fahalalahan’ny safidy eo amin’ity fitaterana ity.
Manitra R.
