ActualitésTatitra

Mayotte : Misokatra ny toeram-pitsaboana ny mosavy

Tontosa ny fanokafana ny ivon-toerana manokana hitsaboana ny aretin’ny maizina rehetra toy ny ody ratsy, « djinns » ary ny mosavy ao Mayotte. Fiaraha-miasa teo amin’ny « Conseil Cadial » ao an-toerana sy ny « Union des Raqis thérapeutes » no nahatanteraka izany.

Ny « roqya » antsoina ihany koa hoe « médecine du prophète » dia fomba fanao mifototra amin’ny fanononana ny andininy ao amin’ny Coran sy ny fiantsoana. Efa fampiasa amin’ny fandroahana ny « asan’ny maizina » ao amin’ny nosy io fomba fitsaboana ampiasaina ao amin’ny toeram-pitsaboana vaovao io. Misy miantso hoe « exorcisme islamique » ihany koa ny « roqya ».

Marihana fa hatramin’ny taona 2019 no nisy tao an-toerana izany karazana fitsaboana izany izay nentin’ilay imam Abdel Karim Abdou Salman, avy ao Algérie. Tanjon’ny « Conseil Cadial » sy ny « Union des Raqis thérapeutes » amin’ny fanokafana io toerana io kosa ny fampiroborobo ny fomba fiasa hafa amin’ny fanasitranana sy ny fanasoavana ny mponina ary ny fampisitrahana azy ireo ny fitsaboana mifototra amin’ny finoana sy ny fomban-drazana.

Laisser un commentaire