SportTatitra

Corée du Nord : Tsy handray anjara amin’ny lalao olympika hatao any Tokyo

Nilaza ny minisitry ny fanatanjahantena any Corée avaratra fa tsy handray anjara amin’ny lalao olympika tanterahina ao Tokyo. Antony tsy handraisan’izy ireo anjara ny mety hisian’ny fifindran’ny valan’aretina amin’ireo mpanatrika izany. Diso fanantenana etsy ankilany ny Corée atsimo manoloana io fanambarana io, izy ireo izay saika hanarararaotra ny lalao olympika mba hamelomana indray ny fifampidinihana ao Pyongyang. Tamin’ny fivoriana iray, nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny lalao Olaimpika faha-32 ny Komity Olaimpika Koreana Tavaratra mba hiarovana ireo atleta amin’ny krizy ara-pahasalamana manerantany nateraky ny Covid-19, hoy ny departemantan’ny serasera ao amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena any Pyongyang. Anisan’ny singa iray nampifandray ny lafiny ara-diplomatika ambony anefa ny fandraisan’anjaran’i Korea Avaratra tamin’ny lalao olaimpika nandritran’ny ririnina farany tany Pyongyang.

Laisser un commentaire