ActualitésTatitra

Belgique : Mihena ny isan’ny voan’ny Covid-19

Manomboka ahitana fihenana ankehitriny ny marary sy ny matin’ny Covid-19 any Belgique amin’izao fotoana izao. Ny 7 hatramin’ny 13 may manko, niisa 2 267 ny tranga hita ka nahitana fihenana 25% izany raha noharina ny tamin’ny herinandro talohan’izay. Izany no antotan’isa navoakan’ny « Institut de santé publique Sciensano » ny alahady 16 may maraina lasa teo. Mahatratra hatramin’ny 46 489 eo ho eo isan’nadro ny fitiliana atao. Efa hafainganina hatreto ny fanaovam-baksiny any Belgique raha olon-dehibe 1 amin’ny 4 any amin’ny firenena no vita fatra voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny aretina. Olona 3 889 089 no vita fatra voalohany raha 1 345 138 kosa no nahazo ny fatra faharoa tamin’izany.

Laisser un commentaire