République Démoratique du Congo : Tsy manaiky ny hanao vaksiny ny filoha Félix Tshisekedi
Tsy mbola nanao vaksiny ankehitriny ny filoham-pirenena any Congo, Félix Tshisekedi ary mbola mitsikera hatrany ny vaksiny AstraZeneca izy. Nangataka ny hisian’ny vaksiny anefa ny governemanta sasany noho ny fiparitahan’ny aretina indrindra ny fisian’ny Variant Delta any amin’ny firenena.
« Efa nandinika tsara aho fa tsy hanao vaksiny izany » hoy ity filoha ity ny 1 jolay lasa teo. Nilaza anefa ny kandidà ho filohyam-pirenena iray teo aloha, Martin Fayulu fa nandray ny andriakiny voalohany izy ary nanao ny vaksiny ny 10 Jona lasa teo mba ho fitaratra tsara ho an’ireo vahoakan’i Congo. Betsaka araka izany no tsy mankasitraka izao ataon’i Félix Tshisekedi izao toy i Seth Kikuni izay nahavita nilaza mihitsy ny tsy hifidiana an’i Félix Tshisekedi intsony amin’ny fifidianana manaraka. Efa nanomboka ny aprily las ateo kosa ny fanaovam-baksiny AstraZeneca tany an-toerana ary 60 000 monja no nanao izany tany an-toerana raha mbola misalasala ny ankamaroany.
Efa mahatratra hatarmin’ny 84 % anefa ny fiparitahan’ny aretina any an-toerana ka na ny hopitaly aza efa feno avokoa.
