ActualitésTatitra

France : Renim-pianavakiana iray voasambotra rehefa namarotra ny zanany tao Paris

Renim-pianakaviana 27 taona iray no nosamborin’ny manam-pahefana rehefa fantatra fa namarotra ny zanany vavy 12 taona monja tamin’ny lehilahy 70 taona iray. Raha ny fanazavana dia nandoa 90 000 euros tamin’ny ray aman-drenin’io zazavavy io ity farany mba hiraisany ara-nofo aminy.

Efa an-taonany maromaro kosa no faharetan’io fivarotan-janaka io raha ny tatitra. Ny 19 febroary teo tao amin’ny toeram-pijerena horonantsary iray tao Paris no nahatratrarana am-bodiomby ilay lehilahy lehibe, teo am-panaovana herisetra ara-nofo ilay zazavavy 12 taona. Ireo mpiasa tao an-toerana no nahatsikaritra fihetsika hafahafa ka niantso ny manam-pahefana. Manoloana izany dia nosamborina avy hatrany ilay lehilahy sy ny renin’ilay zazavavy.

Marihana fa tao an-toerana ihany koa ny rain’io zazavavy niharan’io fanolanana io tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga saingy tafatsoaka niaraka ilay zazavavy izy. Mbola karohana izy mianaka ireo amin’izao fotoana raha efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana kosa ilay renim-pianakaviana sy ilay lehilahy nahavanon-doza.

Laisser un commentaire