ActualitésTatitra

Mayotte : Ao Combani no hatsangana ny hopitaly faharoa

Tonga tao Mayotte ny minisitrin’ny fahasalamana François Braun ny 29 novambra teo. Nandritra ny fandalovany tao amin’ny Maison France Service tao Combani dia nilaza izy ho hatsangana ao an-toerana ny hopitaly ara-panjakana faharoan’ny nosy.

Nilaza ny ben’ny tanànan’i Tsingoni, Mohamed Bacar manoloana izany fa hanatsara ny kalitao sy ny tolotra ho an’ny mponina io tetikasa io. Marihana fa tanàna mavitrika i Combani ary ao anaty fandrosoana ara-toekarena tanteraka. Any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023 any kosa no vinavinaina hanombohana io tetikasa io.

Laisser un commentaire