Niger : Olona 22 no maty vokatry ny fanafihan’ireo Djihadistes
Olona 22 no namoy ny ainy, ny alahady teo, vokatry ny fanafihana djihadistes tao amin’ny tanànan’i Tillabéri, any andrefan’i Niger. Manodidina ny efapolo teo ho eo ireo mpanafika djihadiste no tonga tao an-toerana, tao Motogatta, nandeha tongo-droa ary nitifitra avy hatrany ireo olon-tsotra. Vokany, maty tsy tra-drano ireo olon-tsotra sendran’izy ireo.
