Maurice : Dodo, vorona efa lany taminga nisy tao amin’ny Nosy
Nanana harena voajanahary miavaka ny nosy Maurice. Anisan’izany ny vorona « Dodo » na « Dronte de Maurice » omena ny anarana siantifika hoe « Raphus cucullatus ». Karazam-borona sao anatin’ny « Columbiformes »s ny Dodo, tsy nisy afa-tsy tao Maurice izy saingy efa lany tamingana tany amin’ny faran’ny taonjato faha-17 tany raha vao ny faramparan’ny taonjato faha-16 no hita.
Niaina tany anaty ala na tamin’ny lemaka io vorona io. Nahatratra hatramin’ny 1 metatra teo ho eo ny refiny raha 10,2 kilao ny lanjany antoniny. Nofaritana ho vorona miadana, matavy ary toratelo ny Dodo, tsy nilefa ny olombelona izy. Niloko manga nanopy volondavenona kosa ny volony. Ny loko mavo sy fotsy ny helany. Mavo kosa ny tongony izay nisy rantsana 4 izay nofaranana hoho mainty lehibe. Somary niforotra indray ny vavany izay niloko mena sy manga.
