Fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany « Tsipy Kanetibe »
Efa voatondro ireo mpilalao hisolo tena an’i Madagasikara min’ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe any Espagne ny oktobra ho avy izao. i Onja sy Liva ary Iaro no voatendry amin’izany. Mbola eo am-piandrasana ny mpilalao faha-efatra hanampy azy ireo anefa isika hatreto.
Vao tsy ela ny taranja tsipy kanetibe no nitokana ny kianja fialalaovana manaram-penitra « Fitaratra 2023 », ao Tongarivo kaominina Tajombato kosa no misy izany.
« Efa manana fahavononana ireo mpilalao, efa tsara fantina ihany koa ka azo antoka fa hiaro ny voninahim-pirenena Malagasy » hoy i Njaka mpilalao kanetibe.
« Na dia efa misy aza ny ezaka mety ho ataon’ireto mpilalao aza dia mila tohana ihany izy ireo mba hananany fahavitrihana, tokony hanana fifantohana goavana ihany koa, vao hiainga eny Ivato dia efa tokony tsy hisaina hafa-tsy fandresena izy ireo » hoy José, mpakafy taranja tsipy kanetibe.
Nilaza ny tompon’andraikitra misahana ny taranja tsipy kanetibe fa « tsy ho atao latsa-danja ity fifaninana ity, mba hiarovana ny voninahitry Madagasikara ».
Anisan’ny mpilalao efa tsy zoviana amin’ny mpankafy ity taranja ity raha i Tafita, sady hita ny traikefa hananany sy ny dingana efa nolalovany, mendrika ny hanana anjara toerana amin’izany ihany koa izy ary tokony hahazo ny toerana faha-efatra.
Lovasoa Tojonirina
