Nahitana fiakarany ny teti-bola ampiasaina eo amin’ny kaominina Antananarivo
Nanatanteraka fivoriana ara-potoana ny teo amin’ny mpanolo-tsaina ny tanàna’Antananarivo. Anisan’ny lahadinika nodinihina nandritra izany ny teti-bola ampiasaina eto amin’ny kaominina Antananarivo mandritra ity taom-piasana 2021 ity.
75 000 tapitrisa ariary no nampiasaina tamin’ny taona lasa raha toa aka 80 000 tapitrisa ariary izany amin’ity taona 2021 ity. Nahitana fiakarana 5% noho izany ny teti-bola nampiasaina tamin’ity taona ity raha oharina amin’ny taona lasa.Volana vitsy lasa izay, raha tsiahivina, no nanao ny fanisana trano ny teo amin’ny kaominina Antananarivo, tanjona tamin’izany ny ahafantarana ny isan’ny trano miorina ahafahana miroso amin’ny fitakiana hetran-trano. Ny vola azo amin’ny fandoavan-ketra ataon’ny mponina ihany mantsy no ahafahana mamolavola ny teti-bola ampiasaina eo amin’ny kaominina.
Nandritra izany fivoriana izany indrindra no nanambarana fa hisy fiakarana ny hetra takiana amin’ny mponina. Andrasana arak’izany ny fampandrosoana ny tanàna manoloana ny teti-bola ampiasain’ny kaominina amin’izao fotoana.
« Fanamboarana ny lalana no tokony handaniana ny ampahany betsaka amin’ny volan’ny kaominina, eo ihany koa ny tokony hananganana fotodrafitr’asa toy ny tsena izay tena hihopanan’ny ankamaroanan’ny mponina eto andrenivohitra » hoy i Zety, mpivarotra amoron-dalàna. « Tsy ilaina intsony ny fandaniam-bola amin’ny fananganana sekoly, efa betsaka loatra ireo sekoly misy eto Analamanga, efa ampy ny mpianatra ireo, ny fanampiana ireo vahoaka sahirana no tokony imasoana ankehitriny » hoy i Gerard, mpamily taxi-be ao Antananarivo. « Ny hetra no anisany mameno ny kitapombolan’ny kaominina amin’ny ankapobeany, izany indrindra no hanentanana ny mponina hanefa izany ho fampandrosoana ny tanàna » hoy i Safidy, mpiasa eo amin’ny kaominina Antananarivo. « Adidin’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny fandoavan-ketra, melohin’ny lalàna ny tsy fandoavana izay misy ny sazy homena azy ireo » hoy i Minosoa, mpianatra lalàna eny Ankatso.
Fantatra fa ny hetra avy amin’ny mponina no hahafahana mampandroso ny kaominina, saingy tsy takona afenina ny fahasahiranan’ny vahoaka ankehitriny izay takaitra navelan’ny covid-19. Tokony asiam-panovana noho izany ny teti-bola ampiasaina izay miakatra isan-taona ary tsy tokony mbola hiroso amin’ny fampiakarana ny hetra takiana amin’ny mponina ny eo amin’ny fitantanana ny tanàna. Atao ahoana ny hampandroso ny tanàna nefa isika mponina aza malaina ny handoha hetra ?
Haingotiana Andriamihaja
