Fifamoivoizana : Hanatanteraka hetsika fitiliana ara-teknika mandritra ny 23 andro
23 andro no omena ireo fiara rehetra mivezivezy an-dalambe hanaovana ny fitiliana ara-teknika. Efa manakaiky ny fety ka hamoaka ny fiarany avokoa ny olona rehetra hanaovana izany fety izany. Amin’izy ireny anefa tsy nandalo fitsirihina ara-teknika efa ela ka mety ho izay no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana matetika. Izany no antony lehibe hanaovana ity hetsika ity.
« Opération contrôles techniques an’ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny 23 andro, nanomboka ny 15 desambra 2022 hatramin’ny 08 janoary 2023 izao izany. Manerana ny nosy no hanaovana izao hetsika izao ka samy hahazo ny anjarany avokoa ireo faritra tsirairay. Tanjona lehibe no tianay ho taratraina amin’ity hetsika ity dia mba tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana noho ny fiara tsy tomombana tsara. Hanentanana indrindra ireo mpamily rehetra sy ny mpandeha amin’ireo fiara mpitatitra olona miainga amin’ny Gares Routières rehetra eto Madagasikara ihany koa izany », hoy ny avy ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dalambe (service des operations et controles routiers).
« Izay karazana fiara na fitaovana hahafahana mivezivezy rehetra dia ho araha-maso avokoa eny hatramin’ireo fiara izay mamoaka setroka mihoampampana ka manelingelina ny hafa dia handraisana fepetra. Averina hampianarina ny olona ny mahakasika ny lalànan’ny lalana raha misy adinony », hoy hatrany ny fanazavana.
« Fa maninona no rehefa fety foana vao misy izany hetsika izany ? Angaha rehefa fety ihany vao hatahorana ny ain’ny mpandeha ? Hirariana ihany koa ny mba tsy hisian’ny kolikoly fa izany hatrany no efa nampikorontana ny fitondrana samihafa . Tokony samy handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana avokoa ny mpisehatra rehetra », hoy i Mario, mpandinika fiaraha-monina.
Tsy hisy ny fandeferana amin’ireo fiara hita fa tsy manara-dalàna ka mety hitera-doza satria “lahitokana ny aina » ka ny tongasoa no arahabaina.
Miora Raharisolo
