Fandriam-pahalemana : Nanentana ny olona teny amin’ny Fokontany maro ny mpitandro filaminana tao Alasora
Mitohy hatrany ny fampandriana ny fahalemana ao amin’ny Kaominina Alasora, izay ataon’ireo mpiatdnro filaminana any an-toerana ka mifanome tanana ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimaria. Nisy ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Fokontany maromaro tany Alasora. « Mba hifanakaiky kokoa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana ary hanangana fiaraha-miasa mba hisian’ny fahandriam-pahalemana no tena anton’izao fanentanana izao » hoy ny lehiben’ny mpitndro filaminana ao Alasora.
« Isan’ny natao nandritra ny fanentanana ihany koa ny fampatsiahivana ny tokony hampiasana ny kara-manga ho an’ireo tratra alina sy ny fampiasana ny bokim-bahiny ho an’ireo mampiantrano vahiny ary ny fananganana ny andrimasom-pokonolona isaky ny Fokontany, mba ho fanampiana ny mpitandro filaminana » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria.
« Mirary soa ny avy ao amin’ny Kaomisaria izay tarihan’ny Kaomisera Njaka sy ny Zandarimaria tarihin’i Chef Mamy izay tsy mikely soroka amin’ny fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra goavana manoloana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. Hita tokoa ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana asehon’iny Polisim-pirenena sy ny Zandarimaria eo anatrehan’ny mponina, izay midika fa isika rehetra mitambatra no manome ny fandriam-pahalemana. Zava-dehibe tokoa ny firaisan-kina manoloana ny olana iray satria ny olana toy ny tsy fandriam-pahalemana dia natao hampivondrona fa tsy natao hampisaraka indray.
Nicole Rafalimananjara
