ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mampijaly ny fiara fitateram-bahoaka, tsy misy ny fandraisana andraikitra

Mila ho isan’andro ny fitarainana ataon’ireo mponina ao Ankadikely Ilafy mikasika ny ataon’ireo fiara fitateram-bahoaka 163, ary tsy mbola misy hatramin’izao ny vahaolana. Ny faniratsirana mpandeha sy ny fihetsika feno tsy fanajana ary fakana vola ambonin’ny saran-dalana raha ny tokony ho izy manginy fotsiny raha ny nambaran’ireo mpandeha.

« Asa na mba misy tompon’andraikitra ihany izy ireny na minia manampin-tsofina fotsiny manoloana ny gaboraraka. Tokony mijanona tsy manao ny fitaterana intsony rehefa hampijaly vahoaka toy izao » hoy i Thonny, mponina ao Ankadikely. « Manontany ny toerana alehan’ny mpandeha aloha izy ireo ka raha alavitra ilay izy dia tsy mahamenatra azy ny manosika ilay olona hiverina, efa an-jatony ny fitarainana natao fa tsy mbola nisy valiny hatramin’izao » hoy i Lanto, mponina ao Ilafy.

« Manjaka tokana izy manao izany, fa raha manangana kaoperativa ny kaominina any an-toerana dia mety hamaha izao olana izao ihany izany, ary mila esorina ireo rehefa tsy mahavita » hoy i Patrick, mpamakafaka ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ny fiara fitateram-bahoaka mantsy dia natao hanamora ny fiainam-bahoaka amin’ny fivezivezena, fa tsy sanatria izy indray no hiteraka olana. Miandry ny fandraisana andraikitra manoloana ny olana tahaka izao ny vahoaka satria miankina amin’ny fiainany io ahafahany mifandray amin’ny hafa mba hitondrana fivoarana. Iza no tokony handray andraikitra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire