Zandarimaria: Tovolahy iray nandeha tongotra avy any Antsirabe, mikasa hody any Belo Tsiribihina
Tovolahy iray nandeha tongotra avy any Antsirabe, avy nigadra, mikasa hody any Belo Tsiribihina fa tsy manana saran-dalana no hitan’ny zandary avy amin’ny brigady telo samihafa tato anatin’ny compagnie Antananarivo Ville. Amin’izao fotoana, tsy fantatra na Maty na velona ity farany, noho ny fiovaovan’ny toerana ahitana azy ity, araka ny voalaza.
« In-telo izy no hitan’ny zandary, mirakotra lamba manga tamin’ny toerana samihafa tato fari-piadidiana Tiana Ville. Ny 14 aprily, tamin’ny 8ora sy sasany maraina, tao amin’ny fokontany Mahatsinjo Alasora ka noraisana an-tanana ho vonjy aina. Ny 16 aprily, tamin’ny 9ora sy sasany indray hitan’ny zandary tao Ambohimalaza ka Novonjena ihany koa » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Teny amin’ny fokontany Ambatomilona, kaominina Fenoarivo indray izy no hitan’ny zandary avy amin’ny poste avancé Ambohijafy ka noraisana an-tanana. Taorian’izay anefa dia tazana nanaovan’olona tsara sitra-po antso avo tamin’ny tambajotran-tserasera, tolo-tanana hampodiana azy » hoy hatrany ny fanazavana.
Tao anatin’izany moa ity tovolahy ity dia nomena sakafo sahaza sy fitsaboana. Tsy mbola naharenesana vaovao kosa ny fahatongavany any Belo Tsiribihina io.
