France: Mpitsabo iray notanana am-ponja noho ny fanaovana herisetra tamin’ny zaza tsy ampy taona
Raha tokony ho fitsaboana “kohaka” fotsiny ihany no nahatongavan’ity tovovavy iray tsy salama tao amin’ity dokotera ity, dia tonga hatrany amin’ny fikasihana sy fitsapana ny tratrany no nataon’ity mpitsabo. Ny fiatombohan’ny volana teo, niaraka tamin’ny reniny nankao amin’ity dokotera mpitsabo iray tao Essone, ity tovovavy ity, hanao fizaham-pahasalamana noho ny kohoka nahazo azy. nandritra izany anefa, nokasihin’ity mpitsabo ny tratran’ity tovovavy iray 15 taona. Nitaraina tamin’ny reniny ny zava-nisy ity farany ka notongavan’ny fianakaviana tao amin’ny toeram-pitsaboana ity dokotera ity fotoana fohy taorian’ny zava-nisy. Niala tsiny vokatr’izany ilay dokotera saingy tsy nanaiky ireo anadahin’ity tovovavy ka nametraka fitoriana. Vokany, notanana natao andrimaso ilay dokotera saingy tsy nanaiky ny fiampangana azy, ka nitory ireo farany ihany koa noho ny herisetra natao taminy.
