France : Miakatra fitsarana indray i Nicolas Sarkozy
Manomboka anio alakamisy 20 may ny fitsarana ilay raharaha Bygmalion izay nahavoarohirohy an’i Nicolas Sarkozy sy olona 13 hafa. Izy ireo izay voampanga ho nanao famoaham-bola tsy ara-dalàna tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny taona 2012. Vao ny fiandohan’ny volana martsa lasa teo no voasazy tamina raharaha hafa i Nicolas Sarkozy, io indray izy anio 20 may fa hiatrika fitsarana ao amin’ny Fitsarana heloka bevava ao Paris. Tamin’ny aprily 2012 no nanomboka ny fampielezan-kevitra ho an’ireo mpirotsaka ho filoham-pirenena, ary nanao tohivakana tao aorian’izay ny fihaonana, izay samy nanaitra avokoa izay nivoaka. Sarotra ny raharaha, tena sarotra. Notantarain’ny mpanao gazetin’ny Le Monde Simon Piel ny fanaovana faktiora sandoka teo amin’ny UMP sy ny orinasa Bygmalion, mpiandraikitra voalohany ny fihaonan’ny besinimaro ho an’i Sarkozy. Natao ilay faktiora sandoka mba hanafenana ny fandaniam-bola mihoapapana sy tsy ara-dalàna nataony nandritra ny fampielezan-kevitra. Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ilay fisolokiana avo lenta ? Mety tsy fantatry ny filoha teo aloha ve ?
