ActualitésTatitra

Allemagne : Nahita marimaritra iraisana i Berlin sy Qatar

Manoloana ny ady ao Ukraine dia nanam-paniriana hanena ny fiankinan-dohany amin’ny « gaz » avy ao Russie i Allemagne. Nanao fanambarana izy noho izany fa nanao fifanarahana tamin’i Qatar amin’ny fanamboarana « terminaux » roa mamokatra entona voajanahary « liquéfié ». Miditra ao anaty fifanarahana angovo maharitra ny roa tonta.Natao tamin’ny fomba ofisialy tao Doha ny fifanarahana nandritra ny fandehanan’ny minisitry ny toe-karena sy ny toetry ny andron’i Allemagne Robert Habeck tao an-toerana. Tanjon’ity fifanarahana ity ny fanamafisana ny fifanarahana ara-barotr’izy ireo sy ny fampandrosoana maharitra ny famatsian’i Qatar LNG an’i Allemagne.

Laisser un commentaire