Chine : Niditra fihibohona ny tananan’i Shenyang
Miverina mirongatra indray ny tsimok’aretina covid-19 ao Chine. Raha tsiahivina dia tao an-toerana ity aretina ity no nipoitra ny taona 2019 ary niparitaka eran-tany. Rehefa tony nanomboka ny taona 2020 teo ny firongatry ny Covid-19 tao Chine dia tafikatra 4 770 indray ny isan’ny marary amin’izao fotoana.Ny « variant Omicron » no anisan’ny nanaparitaka ity aretina ity indray. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny minisiteran’ny fahasalaman’i Chine fa hoahiboka ny tanana indostrialy Shenyang ao avaratra atsinanana izay misy mponina 9 tapitrisa. Tsy afaka mivoaka ny trano ireo mponina raha tsy mitondra fitiliana miiba tao anaty 48 ora latsaka.
