Alasora : Tontosa soa aman-tsara ny fampisehoana izay nataon’ny Jaws Band
Nisy ny fampisehoana izay nontontosain’ny Jaws Band ny alahady teo, tao Alasora. Tao amin’ny Kianja maintso Alasora ny fampisehoana no natao. Marihina fa efa nisy ihany ny seho sehatra tany amin’ireo kaominna maro hafa no nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Jaws Band. Maro tokoa ny olona no tonga nanotrona izany fampisehoana izany.
Natao izany fampisehoana izany, nentina namalifaliana ireo olona no sady nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ihany koa. Mikasa ny mbola hanao fampisehoana any amin’ireo toerana hafa hatrany ny Jaws Band. Isaorana etoana ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolon-tsaina, ny filohan’ny fokontany ary ireo mpitondra isan’Ambaratongany hoy ny mpikarakara.
Famenontsoa Rajerison
