ActualitésTsidika

Savatse 2022 : Tontosa soa aman-tsara tao Besakoa Toliara

Ny 26 ny volana aogositra lasa teo no natanterahana ny Savatse Hazomanga Timara tao Besakoa Toliara.

Famoran-jaza faobe fanao isan-taona ny Savatse. Ny faritra atsimo no tena manao io fomba io, indrindra ny foko sakalava sy ny foko Vezo Timara. « Fotoana fihaonan’ny fianakaviana rehetra, fanamafisana ny fihavanana, fifamelan-keloka, ary fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana. Manan-danja bevata, ny fanamafisana ny fifankatiavan’ny mpiara-belona @ alàlan’ny fomba sy kolontsaina Malagasy » hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, anisan’ny zanaky ny faritra sy nanatrika ny fankalazana.

Ny fanajana ny fomba Malagasy sy ny soa-toavina raiketiny no anisan’ny hankalazana ny Savatse. Fomba amam-panao ny savatse ary manome hasina ny razambe ary firariana ho lehilahy lehibe sy mahery ny zaza ho foraina. Fandahilahia no anarana hafa iantsoana ny savatse any amin’ny foko sasany. Zazalahy 2 ka hatramin’ny 5 taona no foraina mandritra izany. Hotronin’ny fianakaviana, ny mpiara-monina ao an-tanàna ary ireo olobe rehetra mandritra ny heriandron’ny fankalazana, izay arahana famonoana omby.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire