Allemagne : Auschwitz, toby « concentrarionnaire » goavana
Ny « camp de concentration » dia toby nitoeran’ireo mponina nosokajiana ho fahavalo tamin’ny firenena iray. Anisan’ireo lehibe indrindra ao amin’ny Troisième Reich ny Auschwitz izay sady « camp de concentration » no toerana fanamelohana ho faty (centre d’extermination).
Voasokajy tao amin’ny toby miaramila i Auschwitz taloha. Ao amin’ny faritanin’i Silésie, 50 kilometatra any andrefan’i Cracovie no misy azy. Ao amin’ny faritr’i Oświęcim sy Brzezinka kosa izy ary nampidirina tao amin’ny Reich manoloana ny fanafihan’i Pologne tamin’ny volana septambra 1939.
Nitsangana tamin’ny 27 aprily 1940 ny tobin’ny Auschwitz noho ny hetsika nataon’i Heinrich Himmler. Ny SS (Schutzstaffel) no nitantana azy tamin’izany. Nizara roa ny toerana, ny toerana fanamelohana ho faty nitsangana tamin’ny taona 1941 sy ny « camp de concentration » fanaovana asa an-terivozona nanomboka ny taona 1942.
Ny Armée rouge kosa no nanafaka ny toby tamin’ny 27 janoray 1945.
