Manam-boninahitra Zandary telo lahy no hanita-pahaizana any Sénégal
Zandary manamboninahitra 03 mirahalahy handeha handrato fianarana any Sénégal ary nangata-tsodrano tamin’ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria.
Marihina fa nisedra fifaninana izy ireo vao afaka hanaraka io fiofanana fanitaram-pahaizana. « Fiofanana haharitra herintaona mitondra ny anarana hoe : « Cours d’Application des Officiers de la Gendarmerie (CAOGN) » no hataon’izy ireo any Ouakam Sénégal » hoy ny avy ao amin’ny SEG.
« Ho reharehan’ny firenena izao fanovozam-pahalalana ho ataon’izy ireo izao ary hirariana ny mba hahalasa lavitra azy ireo ary hanasoa ny firenena ihany avy eo ka ho reharehan’ny Zandarimaria Malagasy any ivelany any. » hoy i Laurent, zandary. « Isaorana ny nanampy ary mangataka tso-drano avy aminareo izahay mba hanana hery hiatrehana ny fianarana ho entina hampandrosoana ny firenena » hoy izy telo mirahalahy.
Ny sabotsy 18 septembra ho avy izao no hanainga izy telo mirahalahy. Irariana mba hahaleo hahalasana sy hitondra avo hatrany ny maha-Malagasy azy any an-tanin’olon-kafa any.
Nicole Rafalimananjara
