Maurice : Efa miverina misokatra ny « Le Méridien île Maurice »
Toeram-pialan-tsasatra manana ny lazany ao Maurice ny « Le Méridien île Maurice ». Niverina nisokatra ny toerana rehefa nikatona nohon’ny fanamboarana nandritra ny fotoana naharitra. Nitentina 60 tapitrisa dollars izany fanamboarana izany raha ny tatitrin’ny tompon’andraikitry ny toerana.
Misarika mpitsidika maro ny « Le Méridien île Maurice » ary manampy amin’ny fampiroboroboana ny sehatrin’ny fizahan-tany ao amin’ny Nosy. Ao Pointe aux Piments, ao avaratra andrefan’i Maurice no misy ny « Le Méridien île Maurice ». Manome tolotra ho an’ny lehibe sy ny kely ny toerana, ahitana toram-pasika an-kilometatra maro, hotely misy dobo filomanosana telo, toeram-pisakafoana efatra ary trano fisotroana telo.
