Ambohimanambola: Nisy ny dinika momba ny fitandroana ny filaminana isam-pokontany
Nanatanteraka fivoriana, niarahana tamin’ireo sefo fokontany miisa 10, ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola, sy ireo rafitra misahana ny fitandroana filaminana eny amin’ny fiaraha-monina, ny zandarimaria avy ao an-toerana. Dinika mahakasika ny fitandroana ny filaminana isam-pokontany no natao nandritra izany, araka ny voalaza.
« Dinidinika niarahana tamin’ireo Sefom-pokontany ato anatin’ny kaominina, ireo sefom-bohitra rehetra, ireo kartie mobily sy ny polisy kaomininaly, mahakasika ny resaka fandriampahalemana. Tapaka tao anatin’izany fa hisy ny fiaraha-mientana amin’ny famongorana ny ratsy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Mba hatontosa izany dia misy ny fiambenana ny tanàna (Auto-defense villageoise A.D.V), ny fifampizarana vaovao mari-pototra amin’ny mpitandro filaminana, izay ilàna fiaraha-miasa avy amin’ny mponina. Mila ihany koa sahy mitoroka ireo olon-dratsy fa hotazomina ho tsiambaratelo hatrany ny momba anao mpanome ny vaovao » hoy hatrany ny fanazavana.
Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ilay hetsika « tanamaron’ny fandriam-pahalemana » hatrany ity hetsika ity. Ny zandarimaria Ambohimanambola moa dia azo antsoina amin’ny laharana 034 24 002 78, raha misy ny tranga eny amin’ny fiaraha-monina. Toa izany koa kaomandin’ny paositra (CP) Ambohimanambola, amin’ny 034 43 787 08.
