Tsy fandriam-pahalemana : Saron’ny zandary ireo dahalo roa lahy naman’i Delkely.
Nahitam-bokany hatrany ny fampandrian-tany ataon’ireo mpitandro ny filaminana, indrindra eny amin’ny toerana izay voasokajy ho faitra mena amin’ny asan-jiolahy. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo jiolahy roa lahy izay tena nampitondra takaitra ny mponina any amin’ny faritra Betsiboka, Analamanga ary Alaotra Mangoro.
Fangalarana omby, vono olona sy fakana ankeriny no nampalaza ratsy ireto jiolahy izay mpiara-miasa amin’ny Delkely ireto. Nandritra ny fanadihadihana natao tamin’izy ireo no nahitana ireo porofo rehetra manamarina ny firaisany tsikombakomba amin’ny Delkely fony fahavelony. Tratra nandritra izany ihany koa ireo basy sy tranom-bala maro fampiasan’izy ireo, ny 98 tamin’ireo bala efa nipoaka, raha toa ka ny 10 kosa tsy mbola nipoaka. Dimy volana aty aorian’ny nivoahan’ny didy fampisamborana azy ireo no saron’ny zandary ireto jiolahy rain-dahiny. Ny volana may lasa teo raha tsihahivina no namaoka izany didy izany ny teo amin’ny fitsarana.
« Mankasitraka ireo zandary manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fampandriana fahalemana ny vahoaka izay iadidiany. Ho foana tanteraka izahay raha miara-misaly avokoa ny mponina rehetra » hoy i Lafatra, mpianatra. « Mangataka ny hampiharana ireo lalàna velona misy eo amin’ny fitsarana izahay, anisan’ireo nitondra takaitra noho ny asa ratsin’i Delkely sy ny namany ireo mponina aty amin’ny faritra Bestiboka, distrikan’ny Tsaratanana. Aoka izay ny kolikoly izay efa nanjaka teo amin’ny fitsarana fa ireo vahoaka madinika no tsy mandry fahalemanana raha avela hirihariha mandrakariva ireo jiolahy » hoy ny Ben’ny tanàn’ny Tsaratanana.
« Entanina ny mponina rehetra hanantona ny tobin’ny mpiandro filaminana raha mahita na mahafantatra jiolahy. Mijanona ho tsiambaratelo hatrany ny mombamomba ireo olona tsara sitra-po manatanteraka izany » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny brigady misahana ny heloka bevava. « Mitohy hatrany ny famongorana ireo mpambotry ny vahoaka na dia efa lavo aza ny mpitarika azy ireo. Mitohy hatrany ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana ho fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahina ny velirano voalohany napetrakin’ny Filoha Andry Rajoelina » hoy ny kapiteny komandin’ny vondron-tobi-paritry ny zandarimaria Imerina-Afovoany.
Anisan’ireo antoka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny filamin’ny mponina ao aminy, koa rariny sy hitsiny raha toa ka izany no laharam-pahamehana amin’ny fanjakana. Voarakitra ao anaty veliranon’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana sy filaminana anatiny, izay mitondra ny laharana voalohany amin’izany. Manana anjara asa lehibe amin’izany ihany koa ny tsirairay, amin’ny fampahafantarana avy hatrany ireo manam-pahefana raha toa ka mahita tranga tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny fiaraha-monina misy azy.
Izany hoe tagnamaron’ny mpisehatra rehetra no ahafahana mampandry fahalemana ny tany.
Haingotiana Anrdiamihaja
