Ankadikely Ilafy : Fiara kely iray no tra-doza teny Andobontany Ankadikely Ilafy
Fiara kely iray no tra-doza teny Andobontany Ankadikely Ilafy ny farany herin’andro lasa teo. Nisesisesy tokoa ny lozam-pifamoivoizana tato ato izay, na ny teto Antananarivo izany na ny tany amin’ny faritra hafa, indrindra ihany koa teny amin’ny lalam-pirenena. Heverina ho fandehanana mafy no nahatonga ny loza, hoy ireo teny amin’ny manodidina satria naheno « coup de frein » mafy izy ireo.
Marihina fa fiara efa nivadibadika ambony ambany no tazan’ny olona. Tsy nisy ny aina nafoy, ary tsy nisy ihany koa ny naratra ihany. Nifanampy tamin’ny fanarenana ny fiara ny fokonolona. Mila mitandrina hatrany.
Famenontsoa Rajerison
