Royaume-Uni : Sambo mitovy amin’ny Titanic ny Olympic
Sambo vaventy mpitatitr’olona « transatlantique » izany hoe mavezivezy ao amin’ny ranomasina Atlantique eo anelanelan’i Europe sy Amérique ny « Olympic ». Ny « chantier Harland & Wolff no namolavola azy ho an’ny orinasa White Star Line.
« Sister-ship » na orinasa mitovy tsy misy valaka amin’ny Titanic sy ny Britannic ny Olympic. Anisany nampiavaka azy tamin’ireo sambo goavana roa ireo fotsiny ny faharetany. Nahavita niasa teo anelanelan’ny taona 1911 hatramin’ny 1935 mantsy ny Olympic ka nomena ny anaram-bositra hoe « Old Reliable ».
Tao anatin’izany fotoana izany nefa dia nisedra fifandonana tamin’ny sambo hafa ihany ny Olympic. Anisany lehibe indrindra tamin’izany ny fifandonany tamin’ny sambo HMS Hawke sy ny sambo anaty rano avy ao Allemagne U 103 tamin’ny 12 may 1918.
