ActualitésTatitra

Mayotte : Tanora maro no nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra tao Koungou

Manatontosa hetsika maro ho an’ny tanora ny kaominin’i Koungou amin’izao fotoam-pialan-tsasatra mandritra ny fety izao. Nikarakara lalao baolina kitra ho an’ny tanora isam-pokotany tao amin’ny kaominin’i Koungou ireo tompon’andraikitra ary maro ireo namaly ny antso, hatramin’ireo tanora avy amin’ny kaominina hafa hoy ny mpiandraikitra ny fanatanjahantena’ny kaominina, Djamil Abdallah.

Maherin’ny 150 isa ny tanora nandray anjara tamin’ny fifaninana izay 13 hatramin’ny 15 taona (U13 sy U15) ary nizara ekipa 10. Nisy tamin’ireo tanora avy ao Kangani, Kagani ary Trévani. Tanjon’ny lalao kosa raha ny fanazavan’i Djamil Abdallah ny fampiraisana ny tanora ao amin’ny kaominina sy ireo manodidina. Eo ihany koa ny fanomezana fanararaotra ireo ankizy mbola tsy anaty klioba mba hiditra ao anatin’izany. Marihana mantsy fa nisy mpifantina sy mpanazatra maro nanatrika io lalao io.

Laisser un commentaire