ActualitésTsidika

Viliahazo : Tanteraka ny fitsirihana ara-teknika ny « poste avancé de la gendarmerie nationale »

Tanteraka soa aman-tsara ny 26 aogositra teo ny fitsirihana ara-teknika tao amin’ny « poste avancé de la gendarmerie Nationale » tao Viliahazo. Tsiahivina fa nisesisesy tokoa ny fanatsarana ny tanàna tato ato izay. Ity foto-drafitr’asa ity dia natao hatrany mba hentina hanatsarana ny tanàna no hanamafisana hatrany ny fahandriham-pahalemana hoy ny tompon’andraikitra.

Isaorana etoana ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra isan-tsokajiny, Ireo Solombavambahoaka lany tao amin’ny Distrika Avaradrano, ny  Sefon’ny Distrika Avaradrano sy ny mpiara-miasa aminy hoy hatrany ireo tompon’andraikitra misahana ny fahandriam-pahalemana ny amin’ny nahafahana nisitraka ny fotodrafitrasa tamin’ny alalan’ny CIAD.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire