Tsidika

Morondava  voasokajy ho isan’ireo toerana voajanahary 10 tsara indrindra aty Afrika ny “Allée des Baobabs”

Anisany toerana malaza sy be mpitsidika ary mahaliana ireo vahiny mpizahantany tonga eto Madagasikaara ny lalan’ny Baobaba na ny “ Alléé des Baobabs” ao Morondava. Nanamafy izany hakanton’ity toerana ity izany ihany koa ny “Guide de voyage en ligne Pandotrip” tamin’ny fanambarana fa  tafiditra anatin’ireo toerana voajanahary 10 tsara indrindra aty Afrika ny lalaln’ny Baobaba ao Morondava.

“ Ny harena voajanahary no tombony voalohany amin’ny  sehatry ny fizahantany. Ny fitehirizana sy ny fikoloana azy ireny no anisany teboka lehibe  voarakitra anatin’ny sori-dalan’ny firaisan’ny federasionin’ny fizahantany etp Madagasikara. Zava-dehbibe ny fiarovana ireny voahary isan-karazany ireny ho fahafahana mampandroso ny ari-karena ara-pizahantany eto Madagasikara.”  Hoy ny manam-pahaizana manokana amin’ny fizahantany.

“ Tsy nahagaga loatra iny filaharana nivoaka mahakasika ireo toerana voajanahary tsara indrindra eto Afrika iny. Iarahan-tsika mahalala mantsy ny fitiavan’ny olona io Alléé des Baobabs io  na izany isika tompon-tany na ireo vahiny avy any ivelany tonga mitsidika eto. Na izany na tsy izany dia ilaina foana ny mitazona ny lazan-tsika ka mila miaro sy sarotiny amin’ireny toerana manana ny lazany ireny.” Hoy ny mpisera-dia

Raha ny fizahantany no resahana dia manana ny lazany manokana i Madagasikara. Toerana maro eto Madagasikara tokoa no fanta-daza eran-tany amin’ny hakanto ara-boajanahary ananany. Ny olana misy di any hetraketraka ataon’ny olombelona ka manimba na mikitika ireny zava-boaary ireny hiova araka ny filàny kanefa ilay maha voajanahary azy  tsy nasiam-panovana iny no hankafizan’ny maro azy.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire