ActualitésTsidika

Mbola miparitaka ihany ny entana lany daty

Nahatratrarana etana lany daty tao amin’ny tranom-barotra iray tany Toliara. Karazan’entana toy ny lafarinina 23 kilao sy paty (500g) miisa 47 ary vokatra kosmetika sy ny maro hafa. Nogiazana avokoa ireo entana lany daty ireo mandrapatongan’ny fotoana hamotehana azy.

« Aman-jatony ny entana lany daty saron’ny ekipan’ny DRICC Atsimo Andrefana nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny mpanaramason’ny varotra tao amin’ny tranombarotra iray ka nahita sakafo sy savony amin’ny akamaroany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. « Noho ny fitiavan-kely no mety hamoizana ny namana mpiray tanindrazana, manoloana izany ihany koa mila mitandrina tsara ny sakafo vidiana ny mpanjifa sao entana efa lany daty ilay izy ka sady very vola no marary » hoy i Fanoela, mpahay toe-karena. Tetsy an-kilany nahitana entana lany daty miisa 200 ihany koa tao amin’ny tanàn’i tsiroanomandidy nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra. « Tsy mametraka vidin’entana ilay mpivarotra ka mila mitandrina manomboka eo ny mpanjifa » hoy ny mpikirakira ara-ekonomika eo amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Ny fanaparitahana haingana mialohan’ny daty farany azo ampiasaina azy no vahaolana. Izay fantatra fa lafo sy lany ao anatin’ny fe-potoana ihany aloha no hafarana.

Isika samy vahoaka ihany no tokony ho samy hifampiaro sy hifampitsinjo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire