Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy voafaritra ny hetsika fampirantiana ho an’ireo mpianatra
Ny 30 septambra no daty voatondro hanombohan’ny hetsika fampirantiana hanomezana toro-lalana sy toro-hevitra ho an’ireo mpianatra afaka bakalorea. Nahemotra ho amin’ny fotoana izay mbola tsy voafarita izany hetsika izany raha ny naoty navaokan’ny teo amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Maro ireo tanora diso safidy amin’ny sampam-pampianarana arahina, koa izany indrindra no antom-pisian’izao hetsika izao, saingy noho ny antony izay tsy fantatra dia nahemotra izany hetsika izany. Mikorontana tanteraka ny tontolon’ny fampianarana ambony ankehitrin., Voahilika noho ny tsy fahampian’ny toeran intsony ireo mpianatra afaka bakalorea taona 2021, ireo afaka tamin’ny taona 2019 etsy andaniny mbola tsy niverina an-tsekoly. Ny hetsika natao hanampiana ireo mpianatra ity nahemotra ora vitsy mialohan’ny fampiratiana. « Mahatsiaro tena ho voahilika izahay mpianatra ankehitriny mampanotany tena izy ity ankehitriny hihemotra toy izany koa ve ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo izay voatondro ny 04 oktobra ho avy izao ? » hoy i Saholy, mpianatra
« Manomboka sahady ny fihemorana isan-karazany, mamdra-pahoviana no hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana ety amin’ny oniversite » hoy i Milantosoa, ray aman-drenin’ny mpianatra. « Ireo lamina rehetra amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina no tokony himasoana mialohan’izao fidiran’ny mpianatra ety amin’ny anjery manontolo izao. Efa maro ireo mpikarakara nanatanteraka hetsika ho an’ny mpianatra, mino izahay fa efa maro ireo tanora namonjy izany » hoy i Rija, tompon’andraikitra eo amin’ny oniversiten’Antananarivo
« Tsy matotra amin’ny teniny sy fandaminana ireo tompon’andraikitra, fotoana fohy mialohan’ny daty voatondro no najanona tampoka ny hetsika, tsy azon’izy ireo an-tsaina ny mety ho fahadisoam-panantenan’ireo mpianatra, ireo mpandray anjara sy ireo voakasik’izany » hoy i Eric, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Andry iray iankinanan’ny fampandrosoana ny fampiroboroboana ny fampianarana. Fitaovana matanjaka enti-miady amin’ny fahantrana misy eo amin’ny firenena iray ihany koa ny fampianarana. Manana anjara lehibe manoloana ny fampiakarana ny toe-karena ity sehatra iray ity, koa izany no hanentanana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany amin’ny fitadiavana ireo vahaolana entina hampandrosoana ny fampianarana.
Haingotiana Andriamihaja
