Institut ISS : Hetsika sy velan-kevitra mandritra ny iray volana
Misy ny velan-kevitra izay tontosain’ny Institut ISS izay atao mandritra ity volana ity. Ny 19 oktobra 2023 dia ny « Collaborative dynamics in projets: Malagasy perspectives » no lohahevitra hifampizarana, izay manomboka amin’ny 09 ora ka hatramin’ny 11 ora maraina izany. Ny toerana dia ao amin’ny Institut ISS Tsiadana.
« Fiaraha-miombona antoka mafonja ao anaty tetikasa : fomba fijery Malagasy. Io no loha-hevitra hanaovana velan-kevitra ny alakamisy faha 19 oktobra 2023. Maro ny hevitra hifanan-kalozana mandritra io fotoana io » hoy i Harinoro, tompon’andraikitra.
Ny fisoratana anarana dia azo alaina amin’ny alalan’ny fanasana ao amin’ny commevent@institut-iss.com na hiantso ny laharana 0 34 61 597 24 / 0 34 87 244 55.
