ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nisy ny hetsika fizahana maso sy fitiliana diabeta

Nisy ny hetsika fizahana maso maimaim-poana sy fitiliana diabeta tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny sabotsy teo. Ny fikambanana Lions sight First Madagascar, Lions club Antananarivo Manjakamiadana, no nanolotra izay hetsika izany, niaraka tamin’ny kaominina.

“Anisan’ny mahasarika ny mponina hatrany ny hetsika ara-pahasalamana tahaka izao. na ny kely na ny lehibe dia tsy very anjara avokoa fa samy mahazo ny anjara fitsaboana azy avokoa. Izay no anisan’ny tanjon’ny hetsika ara-pahasalamana tahaka izao mba ahafan’ny rehetra misitraka fitsaboana na eo aza ny fahasahiranana samihafa” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“tena ilaina ny hetsika tahaka izao satria manampy tokoa. Ho an’ireo tsy afaka mamonjy toeram-pitsaboana dia mahazo tombony amin’ny fizaham-pahasalamana izay sahaza ny fahefa-mividy tokoa ny vidin’ny solomaso” hoy i Rolland, mponina ao Ambohimanambola.

Anisan’ny tanjon’ny fikambanana mpitsabo maso ity ny hitondra fitsaboana maimaim-poana ho an’ny rehetra. Efa maro moa no afa-po tamin’ny hetsika nataon’izy ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire